# Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh "niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1. # Goga Ity dia anarana mpitarika na mpanjaka izay nanapaka tao amin'ny tanin'i Magoga. # tanin'i Magoga Tiana lazaina eto fa ity dia ilay tany izay hanapahan'i Goga. DH: "izay manapaka eo amin'ny tanin'i Magoga." # Magoga Anarana firenena taloha izay mety nipetraka tany amin'ilay tany Torkia ankehitriny. Magoga dia mety ho firenen'i Lydia taloha. # lehiben'ny andriandahin'i Meseka sy Tobala Ity fomba fiteny ity dia miseho indroa ao amin'ireto andininy ireto. Ny sasany amin'ireo dikateny amin'izao, kanefa, dia mandika ny fomba fiteny Hebreo hoe "lehiben'i Rosa, Meseka, ary Tobala."