# Izao no lazain'ny Tompo Yaveh Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 5:5. # Hanisy fiafarana ny fahamaroan'i Egypta Aho Fandikana hafa: "ho ataoko izany mba tsy hisy olona maro intsony Egypta" # amin'ny tanan'i Nebokadnezara Nebokadnezara dia ho iray amin'ireo izay mitondra ity sazy ity. # Izy sy ny tafiny miaraka aminy ... ho entina handrava ny tany DH: "hitondra an'i Nebokadnezara sy ny tafiny Aho ... mba handrava ilay tany" # Izy sy ny tafiny miaraka aminy, ny fampihorohoroana amin'ireo firenena Yaveh dia miantso an'i Nebokadnezara hoe "fampihorohoroana amin'ireo firenena" satria ireo firenena rehetra dia tena matahotra ny tafiny. # handrava ny tany "mba ho ravain'izy ireo ny tany." Yaveh dia hitondra an'i Nebokadnezara sy ny vahoakany mba hamotika ilay tany izy ireo. # hanatsoaka ny sabany hanohitra an'i Egypta "hiady hanohitra an'i Egypta" # hameno ny tany amin'ny fatin'olona Ity dia fanatomboana resaka mba hanehoana fa ireo Babyloniana dia tena hamono Egyptiana maro be. Hisy Egyptiana maro be ho faty ka ho toy ny hoe mandrakotra ny tanin'i Egypta rehetra ny fatin'izy ireo. Fandikana hafa: "hamono olona maro be izy ireo ka ho toy ny hoe eny rehetra eny ny fatin'izy ireo izany"