# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Andriamanitra manohy miresaka amin'i Ezekiela. # zanak'olona "zanak'olombelona." Andriamanitra dia miantso an'i Ezekiela amin'izany mba hanamafisana fa olombelona ihany Ezekiela. Andriamanitra dia mahery ary velona mandrakizay, fa ny olona tsy tahaka izany. Adikao toy ny tao amin'ny 2:1 ity. DH: "olona mety maty" na "olombelona" # tsilo ... maingoka Ireo teny ireo dia mamaritra ny vahoakan'israely izay tsy hitondra an'i Ezekiela amin-katsaram-panahy rehefa hiteny izay lazain'Andriamanitra amin'izy ireo izy. # tsilo Ireo tendrony maranitra eny amin'ny sampana no atao hoe tsilo. # maingoka Ny maingoka dia biby kely manana fanaketoana roa, tongotra enina, ary rambo lava misy fanindrona misy poizina. Manaintaina mafy ny fanindronany. # aza matahotra ny tenin'izy ireo "Aza matahotra an'izay lazain'izy ireo" # raiki-tahotra amin'ny tavan'izy ireo Ny hoe "ny tavan'izy ireo" dia sarinteny ho an'ny hafatra izay asehon'ny olona eny amin'ny tavan'izy ireo. DH: "manary ny fanirianareo hanompo Ahy nohon'ny fomba fijerin'izy ireo anao"