# Hamana Hadikao toy ny nataonao tao 3:1 izany anaran-dehilahy izany. # peratra tombo-kase Izany pieratra izany dia misy ny anarana na marikin'ny mpanjaka eo aminy. Rehefa manisy tombo-kase eo amin'ny taratasy manan-danja iray izy, dia tsindriany eo amin'ilay tombon-kase ilay marika. Raha vao misy io marika io eo amin'ny fitombo-kaseny, dia fantatry ny olona fa izay voasoratra ao anati'ilay taratasy dia avy amin'ny mpanjaka ary tsy maintsy hankatoavina. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 3:10. # natolony an'i Mordekay izany Tamin'ny fanomezana ny peratra tombo-kase an'i Mordekay, ny mpanjaka dia manome fahefana an'i Mordekay hanoratra taratasy manan-danja izay hoankatoavin'ny vahoaka. # fananan'i Hamana Izany dia manondro ireo zavatra izay an'i Hamana sy izay nomen'ny mpanjaka an'i Estera.