# Fampifandraisana ny foto-kevitra Paoly miteny ireo mpino Efesiana fa ireo mpino Jentilisa amin'izao koa dia nampiraisina tamin'ireo apostoly Jiosy sy mpaminany; tempolin'Andriamanitra ao amin'ny fanahy izy ireo. # nitory fihavanana ''nanambara ny filazantsaran'ny fihavanana'' na ''nilaza ny filazantsaran'ny fihavanana'' # anareo izay lavitra Ity dia maneho ireo Jentilisa na tsy Jiosy. # ireo izay akaiky Ity dia maneho ireo Jiosy. # Fa amin'ny alalan'i Jesosy no hananantsika roa tonta fifandraisana Eto ny ''roa tonta'' dia maneho an'i Paoly, ny mpino Jiosy, sy ny Jiosy tsy mpino. # amin'ny Fanahy iray Ireo mpino rehetra, Jiosy sy Jentilisa, dia nomena ny fahafahana hiditra ao amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ilay Ray amin'ny Fanahy Masina iray ihany.