# miasà amin'ireo tananao D.H: manohy ny fiasana" # na maraina na hariva, na ity na iry, Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa ny asan'olona dia hiroborobo, na tamin'ny fotoana manao ahoana no nahavitany izany. D.H: "na ny voa izay nambolenareo ny maraina, na ny voa izay nambolenareo ny hariva." # Mamy tokoa ny mazava Eto ny teny "mazava" dia maneho ny fahaizana mijery masoandro ary koa ny olombelona. D.H: "ny mahay mijery masoandro dia mamy" na "velona dia mamy." # ny maso ny mahita ny masoandro. Ity andian-teny roa ity dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny toy ny andian-teny teo aloha. D.H: "fa ny olona mahita ny masoandro" na "velona." # ho faly amin'ireny rehetra ireny, Eto ny teny "ireny" dia maneho ireo taona izay hahaveloman'ny olona. # andron'ny aizina ho avy Eto ny teny "haizina" dia maneho fahafatersana. D.H: "hafiriana ny andro izay ho hahafatesany." # fa ho maro ireny. Eto ny teny "ireny" dia maneho ireo "andron'ny haizina". D.H: "Fa ho faty mandritry ny andro maro noho ny hahavelomany izy" na "fa ho faty mandrakizay izy." # Ny zava-drehetra hitranga Mety midika 1) "Zava-drehetra izay mitranga ao aorian'ny fahafatesana" na 2) "Zava-drehetra izay mitranga amin'ny hoavy."