# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. # hitory ny anaran'i Yaveh Fomba fiteny ity. DH: "hilaza ny hatsaran'i Yaveh" # hanaiky ny fahalehibiazan'ny Andriamanitsika "haka antoka hoe fantatry ny olona fa lehibe ny Andriamanitsika" # Ilay vatolampy Ity dia anarana izay nomen'i Mosesy an'i Yaveh, izay, toy ny vatolampy, dia matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. # ny asany "ny zavatra rehetra ataony" # marina avokoa ny lalany rehetra "amin'ny fomba mahitsy no hanaovany ny zavatra rehetra" # Marina sy mahitsy Izy Manana hevitra mitovy ireo teny roa ireo ary manamafy fa Yaveh dia manaraka ny rariny ary manao izay marina.