# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina. # Rehefa tonga eo aminao izao zavatra rehetra izao Eto ny hoe "izao zavatra rehetra izao" dia maneho ny fitahiana sy ozona voafaritra tao amin'ny toko faha 28-29. Ny hoe "tonga eo aminao" dia fomba fiteny izay midika hoe hitranga. DH: "rehefa mitranga aminao ireo zavatra rehetra ireo" # izay napetrako teo anolonao Ity dia miresaka an'ireo fitahiana sy ozona izay nolasain'i Mosesy toy ny hoe zavatra izay napetrany teo anoloan'izy ireo. DH: "izay vao nolazaiko anao ny momba azy" # mahatsiaro azy ireo Fomba fiteny ity. DH: "mahatadidy azy ireo" # eo amin'ireo firenena hafa rehetra "rehefa monina eo amin'ireo firenena hafa ianao" # nitondran'i Yaveh anao "nanereny anao mba haleha" # makanto ny feony Eto ny hoe "feo" dia maneho izay lazain'i Yaveh. DH: "mankato izany lazainy" # amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo Ity fomba fiteny hoe "amin'ny fonao manontolo" ity dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao rehetra." Ireoo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovy. DH: "amin'ny maha-izy anao rehetra" na "amin'ny tanjakao rehetra." Adikao toy ny tao amin'ny 4:29 ireo teny ireo. # hanova ny fahababoanao "hanafaka anao amin'ny fahababoanao." DH: "hanafaka anao amin'ireo izay nisambotra anao"