# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina. # Aza mampahory ny mpanompo nokaramaina "aza mampijaly mpanompo nokaramaina zara raha" # mpanompo nokaramaina olona izay karamaina isan'andro amin'ny asany. # mahantra sy ao anatin'ny tsy fahampiana Manana dika mitovy ireo ary manamafy fa olona izay tsy afaka manampy ny tenany io. # ao am-bavahadin'ny tanànanao Eto ny hoe "vavahadin'ny tanàna" dia midika hoe tanàna. DH: "ao amin'ny iray amin'ireo tanànanao" # omeo azy isan'andro ny karamany "tokony omenao an'ilay lehilahy ny vola azony isan'andro" # aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany Fomba fiteny ity. Ireo Israelita dia mandray ny andro vaovao ho manomboka rehefa milentika ny masoandro. DH: "tokony omenao an'ilay olona amin'ny andro anaovany an'ilay asa ny karamany" # satria mahantra izy ary miandrandra izany Afaka atao mazava tsara ny dikan'ity. DH: "satria mahantra izy ary miankina amin'ireo karamany mba hividianana ny sakafony ho an'ny ampitso" # mba tsy hitarainany any amin'i Yaveh ny aminao "mba tsy hiantsoany an'i Yaveh ka hangataka Azy mba hanasazy anao"