# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto. # Raha misy lehilahy tratra maka an-keriny Fomba fiteny ity ho an'ny hoe "raha misy lehilahy maka an-keriny." DH: "Raha mahita lehilahy maka an-keriny ianao" # maka an-keriny mampiasa tanjaka ara-batana mba hakàna olona tsy manan-tsiny lavitry ny tranony ary managadra azy # iray amin'ireo rahalahiny izay eo amin'ny vahoakan'Israely "iray amin'ireo Israelita namany" # tsy maintsy ho faty izany mpangalatra izany "dia tokony ho vonoin'ireo Israelita hafa izany mpangalatra izany ho sazin'izay nataony" # ary hanafaka ny ratsy eo aminao ianao DH: "dia tsy maintsy hanala ilay olona izay manao izany zavatra ratsy izany eo amin'ireo Israelita ianao" na "dia tsy maintsy vonoinao izany olon-dratsy izany"