# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely. # nisy mpiara-belona ratsy fanahy sasany niala teo aminareo Ny hoe "teo aminareo" dia midika fa ireo olona ratsy fanahy ireo dia Israelita izay nonina tao amin'ny fiarahamonin'izy ireo. # nitarika ireo mponina teo amin'ny tanànan'izy ireo hoe: 'Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay mbola tsy fantatrareo.' DH: "nanadresy lahatra an'ireo izay nonina tao amin'ny tanànan'izy ireo mba handeha sy hanompo andriamanitra hafa izay tsy fantatr'izy ireo" # nitarika ireo mponina teo amin'ny tanànan'izy ireo hoe Ny olona miezaka manajanona olona iray hafa amin'ny fankatoavana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe miezaka mampivily olona ara-batana sy handao an'i Yaveh ilay olona # handinika ny porofo, hanao fikarohana, ary hanadihady lalina izany Ireo fehezanteny rehetra ireo dia manana dika mitovy. Mosesy dia manamafy fa tsy maintsy mikaroka tsara izay tena nitranga marina tao amin'ilay tanàna izy ireo. # natao teo aminareo ny zavatra fahavetavetana tahaka izany DH: "fa nanao zavatra mahatsiravina tahaka izany ny olona teo amin'ilay tanàna"