# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy miresaka amin'ireo mpitsara, koa ho an'olona maro ireo baiko. # Tsy hampiseho fitanilànana "Aza mitanila" # hihaino ireo madinika ary hihaino ireo lehibe ihany koa ianareo Ireo "kely" sy "lehibe" ireo dia maneho ny olona rehetra. DH: "Hitondra mitovy ny olona rehetra ianareo" # Tsy hatahotra ny endriky ny olona ianareo Ny teny hoe "endrika" dia sarin-teny hilazana ilay olona iray manontolo. Ny hoe "tsy hatahotra" dia baiko. "Aza matahotra an'iza na iza" # tamin'izany andro izany Ity dia midika hoe ny fotoana naha-tany Horeba, tany amin'ny Tendrombohitra Sinay azy ireo.