# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny "-nay"dia manondro an'i Ananiasy, lohona sasantsasany, ary Tertylo. # Mba tsy hitazomako anareo ela loatra "mba tsy hijanona ela loatra ianareo" # mangataka fotoana fohy aminareo aho mba hihaino ahy am-pitoniana "hihaino ahy am-pitoniana ny kabary fohy ataoko" # io lehilahy io dia hitanay fa mpanakorontana Paoly eto dia oharina amin'ny hoe areti-mandringana miparitaka avy amin'ny olona iray mifindra amin'ny olona iray. DH: "io lehilahy io dia mpanakorontana" # ny Jiosy rehetra manerana izao tontolo izao Ny hoe: "rehetra" dia ampiasaina mba hanamafisana ny fiampangana an'i Paoly. DH: "Jiosy maro manerana an'izao tontolo izao" # Izy no mpitarika ny sekta Nazareana Ny "sekta Nazareana" dia anarana hafa hilazana ny Kristiana. DH: "Izy ihany koa dia mitarika ny vondrona rehetra izay antsoin'ny olona hoe mpanara-dia Nazareana" # sekta Vondron'olona vitsy. Tertylo dia manao ny Kristiana ho vondrona kely ao anatin'ny Jodaisma.