# fa nandritry ny telo taona aho no tsy nijanona nampianatra ny tsirairay avy aminareo andro aman'alina tamin'ny ranomaso Tsy nampianatra azy ireo nandritra ny telo taona i Paoly, fa anelanelanny telo taona teo. # tsy nijanona nampianatra "tsy nijanona nampitandrina" # tamin'ny ranomaso Eto ny "ranomaso" dia mampiseho ny fitomanian'i Paoly noho ny fihetseham-po mahery vaika izay tsapany fony izy nampitandrina ny vahoaka. # ankiniko amin'Andriamanitra sy amin'ny tenin'ny fahasoavany ianareo Eto ny "teny" dia midika hoe hafatra. DH: "Mangataka amin'Andriamanitra aho mba hikarakara anareo ary hanampy anareo hino hatrany ilay hafatra noteneniko taminareo momba ny fahasoavany" # izay afaka manangana sy manome anareo Ny finoan'ny olona iray matanjaka kokoa dia lazaina toy ny hoe rindrina ny olona iray ary misy olona nanorina azy ho ambony sy matanjaka kokoa. DH: "izay afaka sy hapatanjaka lalandava ny finoanareo" # manome anareo ny lova zany dia miresaka momba ny "tenin'ny fahasoavany" toy ny hoe Andriamanitra mihitsy no hanome ny lova ho an'ireo mpino. DH: "ary Andriamanitra hanome lova ho anareo" # lova Ny fitahiana omen'Andriamanitra ho an'ny mpino dia lazaina toy ny hoe vola na fananana izay holovain'ny zanany amin'ny rainy.