# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Nankany Beria i Paoly sy i Silasy. # rahalahy Ny teny hoe "rahalahy" eto dia manondro ireo mpino lahy sy vavy. DH: "ireo mpino" # ireo olona ireo dia mihaja kokoa DH: "misokatra kokoa" na "vonona kokoa hihaino" # nandray ny teny Eto ny "teny" dia manambara ny fampianarana. DH: "nihaino ny fampianarana" # tamim-pahavononan'ny saina rehetra Ireo Berianina ireo dia vonona ny handinika tsara ny fampianaran'i Paoly momba ny soratra masina. # nandinika ny Soratra Masina isan'andro "mamaky sy mamakafaka tsara ny soratra masina isan'andro" # raha tena izany tokoa ireny zavatra ireny "raha marina tokoa ireo zavatra nolazain' i Paoly"