# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ny teny eto dia avy amin'ireo filazantsara. # avy amin'ny taranak'io lehilahy io "avy amin'ny taranak'i Davida." Natao teny ampiandohan'ny fehezanteny izany mba hanamafisana fa ilay mpamonjy dia tokony ho iray amin'ireo taranak'i Davida. # ho an'Israely Izany dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "nanome ny vahoakan'Israely" # araka izay efa nampanantenainy hatao "araka izay efa nampanantenain'Andriamanitra fa ho ataony" # Iza no hieritretanareo ahy? Nametraka io fanontaniana io i Jaona mba hanerena ny vahoaka hieritreritra hoe iza izy. DH: "Eritrereto hoe iza aho" # Tsy izaho ilay izy I Jaona dia nanondro ny Mesia, izay nandrasan'izy ireo ho avy. DH: "Tsy izaho no Mesia" # Fa henoy Izany dia manamafy ny maha zava-dehibe izay ho lazainy manaraka. # hisy iray ho avy aorinako Izany dia manambara an'ilay Mesia. DH: "ho avy tsy ho ela ilay Mesia" # ny kiraron'ny tongony dia tsy hahamendrika ahy ny hamaha azy "Izaho dia tsy mendrika ny hamaha ny kirarony." Ilay Mesia dia lehibe mihoatra lavitra noho i Jaona ka tsy nahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hanao ny asa ambany indrindra ho azy.