# Fampahalalana ankapobeny Ny teny hoe "izy" ao amin'ity fizarana ity dia manondro an'i Saoly. # Ireo Jiosy Io dia manondro ireo mpitarik'ireo Jiosy. DH: "ireo mpitarika Jiosy" # Fa lasa fantatr'i Saoly ny tetik'izy ireo DH: "Saingy nisy olona nilaza ny tetik'izy ireo tamin'i Saoly" na "Saingy fantatr'i Saoly ny tetik'izy ireo" # niandry ny vavahady Io tanàna io dia nanana rindrina manodidina azy. Ny olona ihany no afaka niditra sy nivoaka ny tanàna tamin'ny alalan'ny vavahady # ireo mpianany ireo olona izay nino ny hafatr'i Saoly momba an'i Jesosy ary nanaraka ny fampianarany. # namela azy hidina tamin'ny rindrina, nampidina azy tao anaty harona "nampiasa tady mba hampidina azy amin'ny sobika lehibe iray teo amin'ny varavarankelin'ilay rindrina"