# Fampifandraisana ny foto-kevitra Eto no manomboka ny fizaran'ny tantara momban'i Filipo sy ilay avy ant Etiopia # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ny andininy faha 27 dia manome fanazavana momban'ilay lehilahy avy any Etiopia. # Ary Io dia manammarika tetezamita ao amin'ny tantara # Mitsangàna ary mandehana Ireo teny roa ireo dia nampiasaina miaraka mba hanamafy fa izy dia tokony hivonona handeha amin'ilay dia izay aharitra fotoana lava. DH: "Mivonona ary mandehana" # midina avy any Jerosalema mankany Gaza Ny teny "midina" no nampiasaina teto satria i Jerosalema dia amin'ny toerana avo kokoa mihoatra amin'i Gaza. # Io lalana io dia any an'efitra Misy amin'ireo manam-pahazaina no mino fa i Lioka dia nanampy an'io fanehoan-kevitra mba hamaritana ilay faritra izay ho lalovan'i Filipo. # Indro Ny teny "indro" dia mampiomana antsika ny fidiran'ny olona vaovao ao anaty tantara. Ny fiteninao dia mety manana fomba hafa maneho ohatran'izany. # tandapa Ny fanasongadinana an'ny "tandapa" eto dia fampisehoana ny maha manam-pahefana ambony ao amin'ny fanjakana ny Etiopiana fa tsy dia any amin'ny toe-batan'izy ireo hoe novotsirina loatra. # Kandasy Izany no fiantso ireo mpanjaka vavin'i Etiopia. Izany dia mitovy amin'ny an'ireo mpanjakan'i Egypta hoe Farao. # Tonga tany Jerosalema izy mba hidera Izany dia midika fa izy dia Jentilisa izay nino an'Andriamanitra ary tonga mba hidera tao amin'ny tempolin'ny Jiosy. DH: "Izy dia tonga hidera an'Andriamanitra tao amin'ny tempolin'i Jerosalema" # namaky ny tenin'i Isaia mpaminany Ity no boky Testamenta Talohan'i Isaia. DH: "namaky ny bokin'ny mpaminany Isaia"