# Fampahafantarana amin"ny ankapobeny Eto ny teny "isika" dia maneho ireo Israelita ary i Mosesy dia tsy ao anatiny. # ireo Israelita sasany Ny mpihaino dia mahafantatra tamin'ny alalan'ny tantaran'i Eksodosy fa izy ireo dia lehilahy roa fa tsy nofaritan'i Stefana mazava tsara. # nampitony ny tsirairay avy izy "nampitsahatra azy ireo tsy hiady" # Ry lehilahy, ianareo dia mpirahalahy Niresaka tamin'ireo Israelita izay niady i Mosesy. # maninona ianareo no mifandratra? Nametraka io fanontaniana io i Mosesy mba handrisika azy ireo hijanona tsy hiady. DH: "Ianareo dia tsy tokony hifandratra!" # Iza no nanendry anao ho mpanapaka sy hitsara anay? Nametraka io fanontaniana io ilay lehilahy mba hitenena mafy an'i Mosesy. DH: "tsy manana fahefana eo aminay enao!" # Tianao ve ny hamono ahy, tahaka ny namononao ilay Egyptiana omaly Nametraka io fanontaniana io ilay lehilahy mba hampitandremana an'i Mosesy fa izy sy ny hafa dia nahafantatra fa i Mosesy no namono ilay Egyptianina.