# ireo apostoly Io dia manambara an/ i Petera sy Jaona. # Inona no tokony ho atao amin'ireto lehilahy ireto? Ireo mpitarika Jiosy dia nametraka io fanontaniana io tamin-patahorana satria tsy azon'izy ireo an-tsaina izay hanaovana an'i Petera sy Jaona. DH: "Tsy misy zavatra azontsika atao amin'ireo lehilahy ireo!" # Noho ny fahagagana vita tamin'ny alalan'izy ireo dia fantatr'ireo olona rehetra mipetraka eto Jerosalema DH: "Fa ny rehetra izay mipetraka tao Jerosalema dia nafantatra fa izy ireo dia nahavita fahagagana niavaka" # olona rehetra mipetraka eto Jerosalema Io dia mety ho fanatavian-dresaka. DH: "saika ny olona rehetra izay nipetraka tao Jerosalema" # Fa mba tsy hiparitahan'izany Eto ny teny hoe; "izany" dia maneho ny fahagagana na fampianarana izay mety ho tohizan'i Petera sy Jaona ho atao. DH: "mba tsy hisy olona handre izany fahagagana izany intsony" "mba tsy hiparitaka lavitra izany vaovao mahakasika izany fahagagana izany" # tsy hitenenan'izy ireo izany anarana izany intsony Eto ny teny hoe "anarana" dia maneho an'i Jesosy. DH: "tsy hiteny an'iza na iza momban'i Jesosy"