# Fampafantarana amin'ny ankapobeny Ity dia tranga vaovao; eto dia andron'ny Pentekosta, 50 andro taorian'ny Paska # Fampafantarana amin'ny ankapobeny Eto ny teny "izy ireo" dia manambara ireo Apostoly sy ireo mpino 120 hafa izay notononin'i Lioka ao amin'ny 1:15 # Tampoka teo Io teny io dia manambara ny tranga izay tsy nampoizina. # avy any an-danitra nisy feo Ireto avy no mety ho dikany 1) "an-danitra" dia manambara ny toerana hipetrehan'Andriamanitra. DH: "nisy feo avy any an-danitra" na 2) "an-danitra"dia manambara ny lanitra. DH: "nisy feo avy eny amin'ny habakabaka" # feo toy ny rivotra mahery nifofofofo "feo iray izay toin'ny tso-drivotra tena mahery" # ny trano manontolo Io dia mety trano na trano tena lehibe # indro niseho tamin'izy ireo ny afo miendrika lela Io dia mety tsy ho tena afo na lela fa zavatra izay mitovy endrika amin'ireo. Ny mety ho dikany dia 1) lela izay toy ny vita amin'ny afo na 2) lelan'afo kely izay miendrika lela. rehefa mirehitra eny amin'ny toerana kely ny afo tahaka ny jiro dia maka endrika toy ny lela izy. # izay nizarazara, ary nipetraka teo ambonin'izy ireo tsirairay avy Izany hoe ilay "lela niendrika afo" dia niparitaka ka nisy teny amin'ny olona tsirairay avy. # Izy rehetra dia feno ny Fanahy Masina ary Izany dia azo hadika ko ho: "Ny Fanahy Masina dia nameno ireo izay rehetra teo sy izy ireo. # niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa Ireo fiteny ireo dia fiteny tsy mbola fantatr'izy ireo.