# Avy eo izy ireo dia niverina "Ireo Apostoly dia niverina" # dian'ny andro Sabata iray Io dia manambara ny halavira izay araka ny fomban-dRaby dia ny olona iray dia mahazo mandeha amin'ny andro Sabata. DH: "miala manodidina ny iray kilometatra" # Rehefa tonga izy ireo "Rehefa tonga tany amin'ny nalehany izy ireo." ny andininy faha 12 dia milaza fa izy ireo dia niverina tany Jerosalema. # efitra ambony rihana "ilay efitra any ambony rihan'ilay trano" # Nitambatra ho iray izy rehetra Izany dia manambara fa ireo Apostoly sy ireo mpino tao dia nifampizara tanjona sy fanoloran-tena iray ary tsy nisy fifandirana teo amin'izy ireo # satria izy ireo dia nazoto nanohy nivavaka Izany dia manambara fa ireo mpianatra dia nivavaka niaraka fona ary matetika