# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eto ny hoe: "isika" dia manondro an'i Jaona sy ireo niaraka taminy ary tsy anisany i Galo # Malala Eto dia ampiasaina io ho toy ny fomba fiteny hanehoana fitiavana amin'ireo mpiray finoana. # Aza maka tahaka izay ratsy "Aza mandika ireo zava-dratsy izay ataon'ny olona." # Fa izay tsara Misy teny izay najanona kanefa azon'izy ireo. DH: "Fa alaivo tahaka ireo zava-tsara izay ataon'ny olona." # An'Andriamanitra "Dia an'Andriamanitra." # Tsy nahita an'Andriamanitra "Tsy an'Andriamanitra" na "Tsy mino an'Andriamanitra." # Ny rehetra dia vavolombelona nanambara an'i Demetrio DH: "Ireo rehetra izay nahalala an'i Demetrio dia nijoro vavolombelona momba azy" na "ny mpino tsirairay izay nahalala an'i Demetrio dia niteny tsara momba azy." # Demetrio Izy io angamba no lehilahy tian'i Jaona mba ho raisin'i Galo sy ny fiangonana rehefa tonga izy. # Ary amin'ny fahamarinana koa "Ary ny fahamarinana dia miresaka tsara momba azy." Eto ny hoe: "Fahamarinana" dia lazaina ho toy ny olona miteny. DH: "Ary ny tsirairay izay mahalala ny fahamarinana dia mahalala fa olona tsara izy." # Isika ihany koa dia mijoro vavolombelona Izay tondroin'i Jaona dia voalaza eto ary afaka faritana tsara. DH: "Isika ihany koa dia miteny tsara momba an'i Demetrio."