# Fa noho izany antony izany "Satria apostoly aho" # mijaly amin'ireny zavatra ireny ihany koa aho Paoly dia milaza ny maha-gadra azy. # mitazona izay efa nankiniko taminy Izy Paoly dia mampiasa sarinteny momban'ny olona misintaka amin'ny zavatra iray miaraka amin'ny olona hafa izay tokony hiaro izany mandra-pameriny izany amin'ilay olona voalohany. Ireo mety ho dikany: 1) Paoly dia mahatoky an'i Kristy hanampy azy hitoetra am-pahatokisana na 2) I Paoly dia mahatoky fa hanome antoka Jesosy fa ny olona dia hanohy hanaparitaka ny hafatry ny filazantsara. # izany andro izany Ity dia maneho ny andro hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra. # Tazomy ny ohatra momba ireo hafatry ny finoana izay henonareo tamiko "tohizo ny fampianarana ny hevitra marina izay nampinariko anareo" na " ampiasao ny fomba nampianarako anareo toy ny modely hoe amin'ny fomba inona na ahoana ny tokony ampianaranareo" # miaraka amin'ny finoana sy fitiavana izay ao amin'i Kristy Jesosy "tahaka ny fahatokisanareo an'i Jesosy Kristy sy ny fitiavanareo Azy" # Ny zavatra tsara Ity dia maneho ny asa fitoriana tsara ny filazantsara. # ambeno... izany Timoty dia mila mailo satria ny olona dia hanohitra ny asany, hiezaka ny anajanona azy, ary hanova izay lazainy. # amin'ny alalan'ny Fanahy Masina "miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masina"