# Ireo fahalotoan'izao tontolo izao Ny teny hoe: "fahalotoana" dia manondro ireo fitondran-tena mpanota izay mahatonga ny iray ho maloto fitondran-tena. Ny teny hoe: "izao tontolo izao" dia manondro fiaraha-monin'ny olombelona. DH: "ireo fanao mandoto ny fiaraha-monin'ny olombelona mpanota." # Amin'ny alalan'ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy Ny hoe "fahalalana" dia afaka adikanao amin'ny fampiasana andian-teny iray. DH: "Amin'ny fahafantaranao an'i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy." # Hanjary ratsy noho ilay toe-javatra voalohany ilay toe-javatra farany "Miharatsy noho ny teo aloha ny zava-mitranga eo amin'izy ireo." # Ny lalan'ny fahamarinana Petera dia miresaka ny fiainana toy ny hoe "lalana iray." Izany andian-teny izany dia manondro ny miaina fiainana iray izay mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. # Ny didy masina natolotra azy ireo DH: "ny didy masina izay nomen'Andriamanitra azy ireo." # Marina ho azy ireo ity ohabolana ity "Ity ohabolana ity dia mihatra amin'izy ireo" na "ity ohabolana ity dia mamaritra azy ireo." # Ny amboa no miverina amin'ny loany. Ny kisoa efa nisasa miverina mihoso-potaka Petera dia mampiasa ohabolana roa mba hampisehoana fa ny mpampianatra sandoka, na dia nahafantatra ny "lalan'ny fahamarinana aza," dia niverina tamin'ny zavatra izay mahatonga azy ireo ho maloto ara-pitondran-tena sy ara-panahy.