# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mitohy ny tantaran'ny fitondràn'i Manase Mpanjaka. # izay nataony Mety tsy i Manase mivantana no nanao ny asa. Ireo mpanompony no nanao ny asa. DH: "izay nandidian'i Manase mba ho ataon'ireo mpanompony" # no hametrahako ny anarako mandrakizay "no tiako hideran'ny olona ahy mandrakizay" # tongotr'Israely Ny teny hoe "tongotra" eto dia fibangoan-teny ilazana ny olona. DH: "ireo Israelita" # mihoatra noho ireo firenena izay noravàn'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely Eto ny hoe "firenena" dia ilazana ny vahoaka izay nonina teo amin'ny tany Kananata lohan'ny nahatongavan'ireo Israelita. DH: "mihoatra noho ireo olona izay naringan'i Yaveh raha nandroso nankao amin'ny tany ny Israely"