# moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? Napetraka izany fanontaniana izany mba ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa voarakitra an-tsoratra ao anaty boky iray hafa avokoa ireo asan'i Joahaza ireo. Jereo ao amin'ny 1:17 ny fomba nandikanao izany. DH: "voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda avokoa izany." # Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jeroboama Izany ny fomba mihaja ilazana fa maty izy ary nalevina. DH: "Maty i Jeroboama, ary nalevina tany amin'izay nandevenana ireo mpanjakan'Israely hafa" (UDB)