# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Izao dia manoritsoritra izay nataon'i Ozia rehefa lasa mpanjaka izy. # Tamin'ny fahadimy ambin'ny folo taona naha-mpanjaka an'i Amazia 'Tamin'ny 15 taona naha-mpanjaka an'i Amazia" # efapolo taona "40 taona" # ratsy teo imason'i Yaveh Eto ny hoe "imason'i" dia sarinteny ilazana ny fomba fitsarana na fiheveran'ny olona iray. DH: "ratsy araka ny fihevitr'i Yaveh" na "izay noheverin'i Yaveh fa ratsy" # Tsy niala tamin'ireo fahotana nataon'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy Ny hoe "mijanona" amin'ny fahotana dia resahina toy ny hoe mandao lalana iray. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Tsy nijanona nanota tahakan'i Jeroboama izy" na "Nanohy ny fahotan'i Jeroboama izy" # Namerina ny sisin-tanin'Israely Izany dia midika fa namerina ny tany hatrany amin'ny sisin-tany ireo tafiny. DH: "Naka indray ireo faritany izay an'Israely teo aloha ireo miaramilany" # Lebo Hamata Nantsoina ihany koa hoe Hamata izany tanàna izany. # ny Ranomasin'ny Arabà "ny Ranomasina Maty" (UDB)