# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eto ny mpanoratra dia mitantara izay nataon'i Amazia taorian'ny namonoana an'i Joasy mpanjaka rainy. # Fa mbola tsy novonoiny ny zanak'ireo mpamono olona Tsy nandidy ireo mpanompony hamono ireo zanak'ireo olona izay namono ny rainy i Ahazia mpanjaka. DH: "Nefa tsy nilaza ireo mpanompony izy mba hamono ireo zanak'ireo manam-boninahitra" (UDB) # Tsy tokony ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo zanany ireo ray, na ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo ray aman-dreniny ireo zanany Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Aoka tsy hovonoina nohon'ny fahotan'ireo zanany ireo rainy, ary aoka tsy ho vonoina nohon'ny fahotan'ireo rainy ny zanaka" # ny olona tsirairay kosa dia tokony ho vonoina nohon'ny fahotany manokana. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy maintsy ho faty nohon'ny fahotany ny olona tsirairay" # Namono ... izy Eto ny hoe "izy" dia manondro ny tafik'i Amazia. DH: "Namono ... ny tafik'i Amazia" na "Namono ... ireo miaramilan'i Amazia" # miaramila Edomita iray alina "miaramila Edomita 10.000" # Lohasahan-tsira Izany dia anaran-toerana hita any atsimon'ny Ranomasina Maty. # nalainy tany an'ady ihany koa i Sela Eto ny mpisolo tena tampisaka "-ny" ao amin'ilay teny hoe "nalainy" dia manondro an'ny tafik'i Amazia. DH: "nalain'ny tafik'i Amazia ny tanànan'i Sela" # Sela ... Joktela Nosoloin'izy ireo Joktela ilay anaran-tanàna atao hoe Sela.