# Nandeha tamin'ireo lalan'ny mpanjakan'Israely i Jehorama Eto ny hoe "mandeha" dia fomba fiteny ilazana ny fomba niainany sy nanjakany amin'ny maha-mpanjaka azy. Tamin'ny fotoana nisehoan'ny tantara, dia nanao ratsy ireo mpanjakan'Israely tamin'izany fotoana izany. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "Mpanjaka ratsy i Jehorama, izay toy ireo mpanjakan'Israely izay nanapaka teo alohany" # tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba Eto ny hoe "ankohonan'i Ahaba" dia ilazana ireo fianakavian'i Ahaba sy ireo taranany. Rafozan-dahin'i Jehorama i Ahaba. DH: "tahaka nataon'ireo ambin'ny fianakavian'i Ahaba" # satria nanana ny zanaka vavin'i Ahaba ho vadiny izy Nanambady ny zanaka vavin'i Ahaba mpanjaka i Jehorama. # nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana izay fihevitr'i Yaveh. DH: "nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy" na "nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" # handrava an'i Joda Eto ny hoe "Joda" dia sarinteny ilazana ny olona izay monina ao. DH: "hamotika ny olon'i Joda" # satria niteny taminy Izy fa hanome azy taranaka mandrakariva "Satria niteny tamin'i Davida i Yaveh fa hanome an'i Davida taranaka mandrakariva." Izany dia ilazana ny fianianan'i Yaveh tamin'i Davida fa hanapaka an'i Joda mandrakariva ireo taranany. Azo azavaina ny tena hevitr'izany fehezanteny izany. DH: "satria nilaza tamin'i Davida izy fa hanapaka an'i Joda mandrakariva ireo taranany"