# Rehefa tonga tany Makedonia izahay Eto ny teny hoe "izahay" dia manondro an'i Paoly sy Timoty fa tsy ireo Korintiana na Titosy. # tsy hanam-pitsaharana ny tenanay Eto ny hoe "ny tenanay" dia ilazana ny maha olona manontolo. DH: "tsy nanam-pitsaharana izahay " na "tena reraka izahay" # ory tamin'ny fomba rehetra izahay Azo adika hoe DH: "niaina olana tamin'ny lafiny rehetra izahay" # nohon'ny fifandirana tany ivelany, sy ny tahotra tao anaty Ireo mety ho dikan'ny "ivelany" dia 1) "ivelan'ny vatana" na 2) "ivelan'ny fiangonana." Ny teny hoe "anatiny" dia ilazana ny fihetseham-po anatin'izy ireo. DH: "nohon'ny fifandirana amin'ny olona hafa sy noho ny tahotro tao anatinay" # Fa tamin'ny fampaherezana izay noraisin'i Titosy avy aminareo I Paoly dia nandray fampiononana tamin'ny fahafantarana fa nampionona an'i Titosy ireo Korintiana. DH: "tamin'ny fahafantarana ny amin'ny fampiononana azon'i Titosy taminareo"