# Fampafantarana amin'ny ankapobeny: Ao amin'ny andininy faha 16, i Paoly dia mamerina teny maro avy amin'ny mpaminany ao amin'ny Testamenta taloha: Mosesy, Zakaria, Amosa, ary mety misy hafa koa. # Aza mifamatotra amin'ireo tsy mpino Azo atao hoe DH: "mifamatora amin'ireo mpino ihany" # mifamatotra amin'ireo Resahin'i Paoly toy ny hoe biby roa niara-nafatotra mba hitarika sarety ny fiaraha-miasa amin'ny tanjona iraisana. DH: "miara-mivondrona amin'ny" na "manana fifandraisana akaiky amin'ny" # Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Izany fanontaniana fampisainana izany dia miandry valiny ratsy. DH: "fa ny fahamarinana dia tsy misy ifandraisany amin'ny fandikan-dalàna" # Fa inona no iarahan'ny mazava amin'ny maizina? Mametraka izany fanotaniana izany i Paoly mba hanamafisany fa ny fahazavana na fahamaizinana dia tsy afaka miaraka satria ny hazavana dia mandroaka ny aizina. Ny teny hoe: "mazava" sy "maizina" dia maneho ny toetra tsara ara-pitondrantena sy ara-panahin'ireo mpino sy ireo tsy mpino. DH: "Ary ny fahazavana dia tsy afaka ny hiombona amin'ny aizina" # Inona no mety ho fifanarahana eo amin'i Kristy sy Beliala? DH:"Tsy misy fifanarahana eo amin'i Kristy sy Beliala" # Beliala Izany dia anarana hafa hiantsoana ny devoly. # Na inona no tokony anjara ananan'ny mpino iray sy amin'ny tsy mpino iray? DH:" Ny mpino dia tsy mizara na inona na inona amin'ny tsy mpino" # Ary inona no fifanarahana misy eo amin'ny tempolin'Andriamanitra sy ny sampy? DH: "Tsy misy fifanarahana eo amin'ny tempolin'Andriamanitra sy ny sampy" # isika dia tempolin'Andriamanitra velona, araka ny efa nolazain'Andriamanitra I Paoly dia manondro ireo Kristiana rehetra hikambana ho tempoly iray hitoeran'Andriamanitra. DH: "Isika dia toy ny tempoly izay hitoeran'Andriamanitra velona"