# izany no fitokiana izany dia manambara izay vao nolazain'i Paoly. Ny fahatokiany dia avy amin'ny fahafantarany fa ireo Korintiana no fanamarinana ny asa fanompoany eo anatrehan'Andriamanitra. # tsy mahefa amin'ny tenantsika "mahay amin'ny tenantsika" na "ampy ho an'ny tenantsika" # handray na inona na inona izay avy amintsika Eto ny teny hoe "na inona na inona" dia maneho ny zavatra izay mifandray amin'ny asa fanompoana apostolikan'i Paoly. DH: "hilaza fa ny zavatra izay nataontsika tamin'ny asa fanompoana dia avy amin'ny ezaka izay nataontsika manokana" # ny fahefantsika dia avy amin'Andriamanitra "Andriamanitra dia manome antsika ny ampy" # Fa ny soratra Eto ny teny hoe "soratra" dia midika ireo soratra ao amin'ny abidy ary maneho ireo teny izay soratan'ny olona. Io fehezanteny io dia mifandraika amin'ny lalan'ny Testamenta Taloha. DH: "Ny fanekena izay tsy mifototra amin'ny didy izay nosoratan'ny olona" # fa an'ny Fanahy Ny Fanahy Masina dia ilay iray izay manorina ny faneken'andriamanitra miaraka amin'ny olona. DH: "fa ny fanekena dia mifototra amin'izay ataon'ny Fanahy" # ny soratra mamono Resahin'i Paoly toy ny hoe olona mamono ny lalan'ny Testamenta Taloha. Ny fanarahana izany lalana izany dia mitarika amin'ny fahafatesana. DH: "ny lalana voasoratra dia mitarika amin'ny fahafatesana"