# Fa ianao Eto ny hoe "ianao" dia manambara olona iray ary milaza an'i Timoty. # lehilahin'Andriamanitra "mpanompon'Andriamanitra" na "olona izay an'Andriamanitra" # mandositra amin'ireo zavatra ireo I Paoly dia miresaka momba ny fakam-panahy sy ireo heloka tahaka ny hoe zavatra afaka entina handosiran'ny olona izany. DH: "Ataovy toy ny zava-boary izay maniry hanisy ratsy anao ireny zavatra ireny" # ireo zavatra ireo Ireo mety ho dikany ny hoe "ireo zavatra ireo" 1) ny "fitiavam-bola" na 2) ireo karazana fampianarana, avonavona, ireo adihevitra, ary ireo fitiavam-bola. # Enjeho ny fahamarinana "manenjika" na "mihaza." I Paoly dia miresaka momba ny fahamarinana sy ireo toetra tsara hafa tahaka ny hoe zavatra afaka henjehin'ny olona iray izany. DH: "Izany fomba fiteny izany dia manohitra ny hoe "mandositra ny." Izany dia midika ny fiezahana mafy mba ahazoana zavatra. DH: "mitadiava mba hahazo" na "manaova izay tsara indrindra azonareo hatao" # Miadia amin'ny ady tsaran'ny finoana Eto i Paoly dia miresaka momba ny olona manohy ny finoany tahaka ny hoe izy ireo dia atleta miady mba handresy ny fifaninanana na mpiady iray miady. DH: "miezaha mafy mba hankato ny fampianaran'i Kristy miaraka amin'ny angovo toy ny ampiasain'ny atleta amin'ny fifaninanana # Hazony ny fiainana mandrakizay I Paoly dia manohy ny fitenenany momba ny olona iray nandray ny fiainana mandrakizay tahaka ny atleta mpandresy izy ireo na ireo mpiady mandray ny loka. DH: "mandray ny fiainana mandrakizay ho toy ny valisoa azonareo tahaka ny atleta mpandresy mandray ny loka" # amin'izay niantsoana anao DH: "Izay niantson'Andriamanitra anao" # anatrehan'ireo vavolombelona maro DH: "vavolombelona maro" # tamin'izay tsara "momba izay ninoanareo"