# Ireo vehivavy ihany koa Ireo mety ho dikany 1) "ireo vehivavy" dia manondro ireo vadin'ny diakona na 2) "ireo vehivavy" dia manondro ireo diakona vavy. # mendrika "miasa tsara" na "mendrika ny hajaina" # Tsy tokony ho mpanendrikendrika izy ireo ''Tsy tokony hiteny ratsy momba ny olona sasany" # andanjalanja "tsy manao zavatra be loatra" # hanambady vehivavy tokana Ny lehilahy dia tsy maintsy manana vady tokana ihany. Tsy mazava izany raha manavaka ireo lehilahy izay maty vady na nisaraka taloha, na mbola tsy nanambady mihitsy. # mitantana tsara ireo zanany sy ny tokantranony izy ireo "mikarakara tsara sy mitarika ireo zanaka ary ireo olona hafa izay miaina ao an-tranon'izy ireo" # Fa ireo "fa ireo diakona" na "Fa ireo mpitarika ny fiangonana" # handray "handray ho an'ny tenan'izy ireo" na "hahazo ho an'ny tenan'izy ireo" # ny laza tsara DH: "tsara laza eo amin'ireo mpino" # fahatokisana lehibe amin'ny finoana izay ao amin'i Jesosy Kristy Mety ho dikany dia izao: 1) izy ireo dia hino an'i Jesosy amin'ny fahatokisana bebe kokoa na 2) izy ireo dia hiteny am-pahatokisana amin'ny olona hafa mahakasika ny finoan'izy ireo an'i Jesosy.