# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Paoly dia nanomboka nanome ny torolalany farany ho an'ny fiangonana any Tesalonika. # Rahalahy Eto ny "rahalahy" dia midika hoe ireo mpino namana. # Mba hanekenareo izay mikely aina "Mijery sy mankasitraka ireo izay mandray anjara amin'ny fitarihana." # Mitondra anareo amin'ny Tompo Izany dia manondro ny olona izay notendren'Andriamanitra mba ho mpitarika ny vondron'ny mpino eo an-toerana. # Hanaja azy ireo am-pitiavana noho ny asan'izy ireo Paoly dia mampirisika ireo mpino mba hitia sy hankasitraka ny mpitarika ao amin'ny fiangonan'izy ireo.