# Velona izahay Izany dia fomba fiteny iray entina anehoana ny fiainana mahafa-po. DH: "tena mampahery anay." # Raha mifikitra mafy amin'ny Tompo ianareo. "Raha mifikitra" dia fomba fiteny izay midika fa manohy mahatoky. DH: "raha mbola mitoky amin'ny Tompo ianareo." # Fa fisaorana toy ny ahoana no azonay omena an'Andriamanitra ny aminareo, tamin'ny fifaliana rehetra izay anananay teo anatrehan'ny Andriamanitray noho ny aminareo? Izany fanontaniana izany dia azo lazaina ho fanambarana. DH: "Tsy afaka ny tsy hisaotra an'Andriamanitra izahay noho ny zavatra nataony ho anao! Faly tokoa izahay rehefa mivavaka amin'ny Andriamanitray!" # Teo anatrehan'ny Andriamanitray Paoly dia milaza fa izy sy ireo namany dia toy ny hoe teo anatrehan'Andriamanitra mivantana. Angamba rehefa mivavaka no tiany lazaina amin'izany. # Andro aman'alina Eto dia ampiasaina ny fanitarana hanehoana hoe impiry i Paoly no mivavaka. DH: "Matetika." # Mafy "Tena mafy." # Ahita ny endrikareo Ny teny hoe "endrika" dia manondro ny olona iray manontolo. DH: "mitsidika anareo."