# Fa masina, sy marina, ary tsy manan-tsiny Paoly dia nampiasa teny telo hamaritana ny fitondran-tena tsaran'izy ireo amin'ireo mpino Tesaloniana. # Toy ny ataon'ny ray amin'ny zanany naterany, Paoly dia nampitaha ny fampaherezany ny Tesaloniana tamin'ny ray izay mampianatra ny zanany ny fomba tokony hitondran-tena. # Niangavy sy nankahery ary nandrisika anareo izahay Ny teny hoe: "miangavy," "mampahery," ary "mandrisika" dia hampiasaina miaraka mba hanehoana ny fampaherezan'ny vondron'i Paoly ny Tesaloniana. DH: "izahay dia mampahery mafy anareo." # Ho ao amin'ny fanjakany sy ny voninahiny manokana Ny teny hoe: "voninahitra" dia mamaritra ny teny hoe: "fanjakana." DH: "ao amin'ny fanjakany be voninahitra manokana."