# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Amin'ity taratasy ity ny teny hoe: "izahay" sy "anay" dia manondro an'i Paoly, Silasy, ary Timoty, raha tsy misy fanamarihana manokana. Ary ihany koa, ny teny hoe: "ianareo" dia ilazana maro ary manondro ireo mpino ao amin'ny fiangonana tany Tesalonika. # Manome fisaorana an'Andriamanitra mandrakariva izahay Eto ny hoe: "mandrakariva" dia manolo-kevitra fa rehefa mivavaka amin'Andriamanitra i Paoly, dia manolotra mandrakariva ny Tesaloniana amin'ny vavaka ataony amin'Andriamanitra. # Manonona anareo amin'ny vavakay. "Mivavaka ho anareo izahay." # Asan'ny finoana Hetsika izay tontosa noho ny fitokiana amin'Andriamanitra.