# ondana volon'osy Adikao araka ny ao amin'ny 19:12 io. # indro Ny teny hoe "indro" eto dia mampiseho fa gaga ny amin'izay hitany ireo iraka. # Nahoana no namitaka ahy ianao ka namela ny fahavaloko handeha, ka dia afa-nandositra izy? Ireo mety ho heviny dia 1) Tena tian'i Saoly ho fantatra marina hoe nahoana i Mikala no nanao izay nataony na 2) nampiasa io fanontaniana io i Saoly mba hibedesana an'i Mikala. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Tsy tokony nanapa-kevitra ianao ka nandefa ny fahavaloko, hany ka nandositra izy." # 'Avelao aho handeha. Nahoana aho no hamono anao? Na dia tsy tena nilaza izany aza i Davida, dia milaza amin'i Saoly i Mikala fa nandrahona azy tamin'io fanontaniana io i Davida. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Matiko ianao raha tsy manampy ahy handositra."