# Saingy mba omeo voninahitra eo anatrehan'ireo loholon'ny vahoakako sy eo anatrehan'ny Israely re aho ankehitriny. Mety ho niraharaha kokoa ny hahazo voninahitra avy amn'ny olona i Saoly noho ny fanompoana an'Andriamanitra marina. # eo anatrehan'ireo loholon'ny vahoakako sy eo anatrehan'ny Israely Eto "Israely" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "eo anatrehan'ny vahoakan'Israely sy ny loholona izay mitarika azy ireo" # Koa niverina nanaraka an'i Saoly indray i Samoela Ny hevitra ambadik'izany dia niova hevitra i Samoela, ary niara-nandeha nankany amin'izay nisy ny vahoaka izy ireo. DH: "Koa nanaiky ny hanao izany ihany i Samoela ny farany, ary niara-niverina tany amin'izay nisy ny vahoaka izy ireo" (UDB)