# ny tany Io dia fibangoan-teny ilazana ny firenen'Israely. DH: "ny Israely" # lasa nazava ny masoko Io dia fomba fiteny izay midika fa niha-nahery izy.DH: "nahazo hery aho" # Mainka raha nihinana ... hitany androany ny olona? Mampiasa ity fanontaniana petra-kevitra ity i Jonatana mba hilazana fa tokony ho navela nihinana ny olona. Azo atao fanambarana tsotra io. DH: "Ho tsara kokoa ny fandresentsika raha nihinana an-kalalahana tamin'izay voaroba nalain'izy ireo avy tamin'ny fahavalony ny olona androany." # voaroba Io teny io dia manondro ireo zavatra izay nalain'ny olona avy tany an'ady tamin'ny fahavalony. # Satria tsy lehibe teo amin'ireo Filistina ny famonoana ankehitriny Satria tsy afa-nihinana ny tarika nandritra ny ady, dia niha-nalemy izy ireo rehefa nandeha ny andro. Noho izany, dia tsy afaka namono betsaka tahaka ireo Filistina izy ireo.