# fitondran-tena mahamenatra, filalaovan-dratsy Ireo teny ireo dia maneho ny olona izay mihaona mba hisotro toaka be loatra ka manao fihetsika mahamenatra. # fanaranam-po be Ireo ohatry ny ota ratsy, sy tsy misy fetra ireo dia resahina toy ny hoe tondra-drano lehibe mifaoka ny olona. # fanaranam-po be faniriana tsy manam-petra amin'ny faniriana ara-batana. # ny iray izay vonona hitsara Ireo mety ho dikany 1) "Andriamanitra, izay efa vonona hitsara" na 2) "Kristy, izay efa vonona hitsara" # ny velona sy ny maty Izany dia midika hoe ny olon-drehetra, na velona izy ireo na maty. DH: "ny olon-drehetra" # no nitoriana ny vaovao mahafaly tamin'ireo maty ihany koa Ireo mety ho dikany 1) "ny vaovao mahafaly dia notoriana tamin'ireo olona efa maty ihany koa" na 2) "ny vaovao mahafaly dia notoriana ihany koa tamin'ireo velona izay efa maty ankehitriny " # ny vaovao mahafaly dia notoriana Ireo mety ho dikany: 1) Kristy dia nitory. DH: "Kristy nitory ny vaovao mahafaly na 2) Nitory ny olona. DH: "Nitory ny vaovao mahafaly ny olona" # notsaraina tamin'ny nofo toy ny olona aza izy ireo Ireo mety ho dikany: 1) Andriamanitra dia nitsara azy ireo tamin'ny fiainana teto an-tany. DH: "Andriamanitra nitsara ara-batana azy ireo" na 2) ny olona nitsara azy ireo araka ny fanaon'ny olombelona. DH: "ny olona dia nitsara ara-batana azy ireo" # notsaraina tamin'ny nofo toy ny olona aza izy ireo Izany dia maneho ny fahafatesana izay endrim-pitsarana farany. # hiaina toa an'Andriamanitra ao amin'ny fanahy Ireo mety ho dikany 1) "miaina ara-panahy tahaka ny niainan'Andriamanitra satria ny Fanahy Masina dia mamela azy ireo hanao toy izany" na 2) "miaina araky ny fanaon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina"