# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ao amin'ny andininy faha-10 Petera dia mamerina ny teny izay nolazain'i Hosea. # olom-boafidy Azo hazaivanao fa Andriamanitra dia ilay iray izay nifidy azy ireo. DH: "olona izay nofidian'Andriamanitra" # mpisoron'ny mpanjaka Mety ho dikany 1) "vondron'ny mpanjaka sy vondron'ny mpisorona" na 2) "antokon'ny mpisorona izay manompo ny mpanjaka" # olona ho an'ny fananan'Andriamanitra "ny olona izay an'Andriamanitra" # izay niantso anao avy tao "izay niantso anareo hivoaka" # tao amin'ny haizina hankao amin'ny hazavany mahatalanjona Eto ny "ny haizina" dia maneho ny toe-piainan'izy ireo amin'ny maha olona mpanota izay tsy mahafantatra an'Andriamanitra, ary ny "hazavana" dia maneho ny toe-piainan'izy ireo amin'ny maha olona izay mahafantatra an'Andriamanitra sy mampihatra ny fahamarinana. DH: :avy amin'ny fiainan'ny fahotana sy ny tsy fahalalana an'Andriamanitra mankany amin'ny fiainan'ny fahalalana sy mankasitraka Azy" # Tsy nandray famindram-po ianao, fa ankehitriny ianao nandray famindram-po. Eto ny "famindram-po", izay fanehoan'Andriamanitra ny hatsaram-panahiny amin'ireo olona izay tsy mendrika izany ,dia atao tahaka ny hoe zavatra afaka raisina amin'ny tanana.