# Tena ravoravo momba izany ianareo Ny teny hoe ''izany'' dia maneho ny tso-drano rehetra izay nolazain'i Petera tao amin'ny andininy teo aloha. # Izany dia ho an'ny fanaporofoana ny finoanareo Tahaka ny afo manadio volamena, no hitsapan'ny zava-tsarotra ny hatsaran'ny fahatokian'ireo mpino an'i Kristy. # fanaporofoana ny finoanareo Andriamanitra dia te-hitsapa ny fahatokian'ireo mpino an'i Kristy. # ny finoanareo izay sarobidy kokoa noho ny volamena izay simba, na dia nosedraina tamin'ny afo aza Ny finoana dia sarobidy kokoa noho ny volamena, satria ny volamena dia tsy maharitra mandrakizay, na dia natsaraina tamin'ny afo aza izany. # mba ho hita ny vokatry ny finoanareo amin'ny fiderana, voninahitra, ary haja Ireo dika azo heverina: 1) mba ''hanome voninahitra ambony anareo Andriamanitra'' nohon'ny finoanareo na 2) mba ''hitondra dera, voninahitra, ary haja an'Andriamanitra ny finoanareo.'' # amin'ny hisehoan'i Jesosy kristy Ity dia maneho ny fiverenan'i Kristy. DH: "rehefa miseho amin'ny olona rehetra Jesosy Kristy"