# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Petera milaza ny tenany toy ny mpanoratra ary milaza sy miarahaba ireo mpino izay hanoratany. # ireo zanaka am-pielezana Petera miresaka ireo mpamakiny toy ny olona izay miaina lavitry ny tranon'izy ireo any amin'ny firenena samihafa. # Kapadokia ... Bitynia Miaraka amin'ireo toerana hafa izay tononin'i Petera, "Kapadokia'' sy ''Bitynia'' dia faritany Romana any amin'ny firenen'i Torkia amin'izao. # ireo izay voafidy ... araka ny fantatr'Andriamanitra Ray mialoha ''ireo izay nofidian'Andriamanitra ... araka ny fahalalany manokana." Andriamanitra nifidy azy ireo araka ny fahalalany mialoha. # fantatr'Andriamanitra Ray mialoha Ireo dika azo heverina: 1) Andriamanitra dia nanapa-kevitra izay mety hitranga mialohan'ny fotoana. DH: ''izay fanapahan-kevitr'Andriamanitra taloha" na 2) Andriamanitra dia nahalala izay hitranga mialohan'ny fotoana. DH: ''izay fantatr'Andriamanitra mialoha'' # ho famafazana ny ràn'i Jesosy Kristy Eto ny ''rà'' dia maneho ny fahafatesan'i Jesosy. Tahaka ny namafazan'i Mosesy ny ràn'ny vahoakan'Isiraely mba ho mariky ny fanekem-pihavanan'izy ireo amin'Andriamanitra, dia ao anatin'ny fanekem-pihavanana amin'Andriamanitra koa ireo mpino nohon'ny fahafatesan'i Jesosy. # Ho aminareo anie ny fahasoavana, ary hitombo anie ny fiadananareo Ity andalana ity dia miresaka ny fahasoavana toy ny hoe zavatra iray izay azontsika ananana izany, ary ny fiadanana toy ny hoe zavatra izay afaka mitombo habetsaka. Eny, ny fahasoavana raha ny tena marina dia ny hatsaram-panahin' Andriamanitra miasa amin'ireo mpino, ary ny fiadanana dia ny fomba fiainan'ireo mpino am-pilaminana sy am-pifaliana miaraka amin'Andriamanitra.