# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity no manomboka ny fiafaran'ny taratasin'i Jaona. Miteny ny mpamaky ny antony nanoratany ny taratasiny farany ary manome ny fampianarana vitsivitsy farany azy ireo. # ireto zavatra ireto "ity taratasy ity" # ho anareo izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra Eto ny hoe: "anarana" dia hevitra ambadiky ny hoe Zanak'Andriamanitra. DH: "ho anareo izay matoky ny Zanak'Andriamanitra" # Zanak'Andriamanitra Fiantsoana manan-danja an'i Jesosy izay mamaritra ny fifandraisany amin'Andriamanitra. # fiainana Eto ny hoe: "fiainana" dia maneho ny zo hiaina mandrakizay amin'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fitiavana. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 1:1. # izao no fifanekena izay ananantsika eo anatrehany, fa "isika dia mahatoky eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra satria isika dia mahafantatra fa" # fa na inona na inona angatahantsika araka ny sitrapony "raha mangataka ny zavatra izay irin'Andriamanitra isika" # dia fantantsika fa azontsika izay rehetra nangatahantsika taminy "dia fantatsika fa hahazo izay nangatahintsika tamin'Andriamanitra isika"