# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Jaona dia mampahatsiahy ireo mpino mba hitoetra amin'izay ren'izy ireo voalohany. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eto ny teny hoe: "ianareo" dia maneho ny olona izay hanoratan'i Jaona sy ireo mpino rehetra. Ny hoe: "-ny" dia fanamafisana ary maneho an'i Kristy. # Fa ho anareo Izany dia maneho ny filazan'i Jaona ny fomba tokony hiainan'izy ireo amin'ny maha-mpanara-dia an'i Jesosy azy ireo fa tsy ny fomba fiainan'ireo izay manohitra an'i Kristy. # aoka izay renareo hatramin'ny fiandohana hitoetra ao aminareo "tadidio ary hinoy izay renareo hatrany am-piandohana." DH: "mitoera amin'ny fahatokiana izay nampianarina anareo momba an'i Jesosy toy ny fahatokianareo hatramin'ny naha-mpino anareo voalohany" # izay renareo hatramin'ny fiandohana "izay nampianarina anareo momba an'i Jesosy tamin'ianareo tonga mpino voalohany" # Raha izay renareo hatramin'ny fiandohana no mitoetra ao aminareo Ny teny hoe: "mitoetra" dia momba ny fifandraisana fa tsy famonjena. "Raha mitoetra amin'ny fahatokiana izay nampianarina anareo voalohany ianareo" # hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ao amin'ny Ray ihany koa ianareo "dia manĂ na ihany koa fifandraisana amin'ny Ray sy ny Zanaka." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 2:4. # Izany no fampanantenana nomeny antsika: dia ny fiainana mandrakizay "Ary Izy nampanantena fa hahatonga antsika ho velona mandrakizay" # fiainana Ny teny hoe: "fiainana" amin'ny alalan'ity taratasy ity dia maneho mihoatra ny fiainana ara-batana. Maneho an'i Jesosy izany eto, ilay fiainana mandrakizay. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 1:1. # hitondra anareo amin'ny lalan-diso "te-hisintona anao." Misy an'ireo izay mitady hitondra an'ireo mpino hanalavitra an'Andriamanitra. DH: "hitondra anareo hiala amin'Andriamanitra sy ny Fahamarinany" "hahatonga anareo hino ny lainga" # hitondra anareo amin'ny Ny fandresen-dahatra olona iray tsy hankato an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe mitarika olona hiala amin'ny lala-marina izay tokony arahina.