# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eto ny teny hoe: "antsika" sy "isika" dia maneho ireo Kristiana rehetra # hijanona amin'ny fiantsoana Eto ny "fiantsoana" dia manambara ny asa na ny toerana ara-tsosialy izay nidiranareo an-tsehatra. DH: "miaina sy miasa tahaka ny nataonareo" # Andevo ve ianao ... niantso anao? Aza miahiahy ... raha mety ho afaka Paoly dia miresaka amin'ireo Korintiana tahaka ny hoe olona iray ihany izy ireo. # Andevo ve ianao fony Andriamanitra niantso anao? Aza miahiahy ny amin'izany DH: "Ho an'ireo izay andevo tamin'ny niantsoan'Andriamanitra anareo mba hino, hoy aho hoe: aza miahiahy" # olona afaky ny Tompo Izany olona afaka izany dia voavelan'Andriamanitra ary noho izany dia afaka amin'i Satana sy ny fahotana. # Ianareo dia voavidy Azo adika hoe: "Kristy dia nividy anareo tamin'ny fahafatesana ho anareo" # Ry rahalahy Eto izany dia midika hoe: namana Kristiana, samy ao anatin'izany ny lehilahy sy ny vehivavy. # fony isika nantsoina mba hino "rehefa niantso antsika mba hino Azy Andriamanitra"