# Nisy fahavalo iray nitsangana nanohitra an'Israely Ny hoe tonga avo kokoa dia mamaritra ny fahatongavana ho mahery kokoa. D.H: "Nisy fahavalon'i Israely tonga mahery kokoa" # nandrisika Mahatonga olona iray hiasa. # avy ao Beri-sheba ka hatrany Dana ireo Israelita dia nandray ireo tanàna roa ireo ho tanàna atsimo indrindra sy avaratra indrindra. Nampiasain'i Davida ireo tanàna ireo hilazany an'Israely manontolo. # avo zato heny Maneho ny faniriana ny amin'ny tafika i Joaba ho tafika 100 habetsaka mba hilazana fa tiany hanana miaramila maromaro kokoa sy matanjaka kokoa ny tafika. # Kanefa ry tompoko ilay mpanjaka, moa tsy manompo ny tompoko izy rehetra? Nahoana no mila izany ny tompoko? Nahona no mitondra heloka amin'Israely? D.H:" Kanefa ry tompoko mpanjaka, tena nanompo anao tokoa izy ireo. Tokony tsy hangataka izany ny tompoko. Hitondra heloka amin'ny vahoakan'i Israely fotsiny ianao noho ny fanirianao miaramila matanjaka." # Nahoana no mila izany ny tompoko? Ny teny hoe "izany" dia milaza ny drafitr'i Davida hanisa ireo lehilahin'Israely rehetra."